05/05/2023
Jirama Boeny
15 min ·
🛑MAHAJANGA :Mody ventiny ny rano natsakaina.
✅ Araka ny efa nambara, tsy nandry andro, tsy nandry alina ny Mpitantana ny orinasa JIRAMA sy ny Ministera Mpiahy dia ny Ministeran'ny Angovo sy ny Akoran'afo (MEH) ary ny Fitondram-panjakana foibe nitady vahaolana manoloana ny fampiharahana ny fahatapahan-jiro mifandimby tamin'ny faritra vitsivitsy, vokatry ny fitsitsiana ny solika sy solika mavesatra teo am-pelatanan'ny orinasa JIRAMA.
✅ Mivaha ny olana amin'izao fotoana izao ka foana ny filazana fahatapahan-jiro mifandimby nohon'ny antony ara-tsolika, ho an'i MAHAJANGA.
🙏Ny JIRAMA dia mamerina ny fialan-tsiny amintsika mpanjifa nohon'ny fikorontanana nateraky ny fahatapahana ary mankasitraka hatrany amin'ny faharetana.