Antanimasaka - Alatsianiny Bakaro - Andramasina⛽
Ambiance OffRoad avec les Teams 🚜🚜🚜
MADA Hors Route
Off Road Madagascar 🚧🚧
Off Road Addict 🛻🛻
Hyundai Galloper - Mitsubishi Pajero - Toyota Prado - Jeep Wrangler - Suzuki Samurai - Mercedes classe G
Off Road 2023 🚧🛻🚜⛽
Atakalo vola hono ireto zaza naterany ireto raha araka ny nambarany, f'efa tsy fantatra intsony izay harapaka hoy izy.
Savika
Savika
Be werawera no nataon'ny olona anaran'ity omby ity. savika izay notontosaina tao Miarina ny 08 Aogositra 2022 lasa teo.
Mijinja vary
Mijinja vary
Ny malagasy dia fantatra fa tantsaha ny 82% nefa dia mbola hafarana ny 65% ny vary hoan'ninny malagasy.
Hipoaka indray ve ny volcan ao tritriva ?
Hipoaka indray ve ny volcan ao tritriva ?
Nifoha ve ny volkano ao Tritriva ? Io no fanontaniana mipetraka rehefa naheno ity vaovao notanterin’ny radio Haja ao Antsirabe ity. Misy setroka somary betsabetsaka ihany ary mitohy tsy tapaka mivoaka amin’ny haram-bato manamorona ity farihy manan-tantara hita amin’ny sahabo ho 15 kilometatra andefan’Antsirabe ity. Toa irony setroka doron-tanety irony no fahitana azy saingy tsy hita hoe aiza ny afo ipohirany.
« Ny alakamisy teo no nanomboka niseho ity trangan-javatra hafahafa ity ka efa manomboka mirohatra tonga eny ny olona mijery izany. Toerana tsy tongan’ olonan ary ambanin’ny haram-bato no ipoiran’ity setroka ity ka mahagaga tokoa satria tsy ho hisy afo mihintsy ho tonga eny sy hirehitra eny», hoy ny fanazavan’ny mpiseradia iray.
🪐Farihy volkanika na « lac volcanique » moa i Tritriva. Izany hoe volkano no teo efa taloha elabe tany ka rehefa nipoaka dia namela lavaka lalina izay lasa farihy lalina. Eo an-tampon’ny tendrimbohitra antsoina hoe « mont Tritriva » izay mahatratra 1650 metatra ambonin’ny ranomasina no misy azy.
Dia ho sanatria ve velona indray ny volkano ao ambanin’ity toerana ity ka izay no mahatonga ny setroka mivoaka ao ? Inona fa hisy fanadiadiana ara-tsiantifika ho atao manoloana izao tranga izao ahalalana ny tena zava-misy.
Toeram-pitsangatsanganana moa no tena ahalalana an’i Tritriva hatramin’izay. Manintona ireo mpizahan-tany ny fahanginana sy ny farihy madio miloko maintso hita ao izay voalaza fa mahatratra hatrany amin’ny 160 metatra ny halaliny.
Toerana feno misitery ihany koa izy ary feno tantara avy amin’ny lovan-tsofina manodidina azy ka isan’ireny ny momba an’i Volahanta sy Rabeniomby. Mpifankatia izay lazaina fa namono tena tao izy roa ireo rehefa tsy navelan’ny fianakaviana nivady.
Source : Radio Haja
Maro ny olona matahotra mitaingina lakana, ao ireo tsy mahay milomano mihitsy, ao ireo mahay nefa dia matahotra fotsiny.
BEMOLANGA Mbola tsy namaly
Tsimiroro toerana manakarena solika
Fasana any Androy
Fasana any Androy