25/11/2022
misy fotoana ianao indraindray toa mila ho kivy
nefa tsy misy olona tsy misy olana
fantaro anefa fa tsy mahamenatra izany
isika dia olona natao hisedra ary mila misedra
isika rehetra dia samy manana sedra
ary matetika dia sarotra resena izy io
fantaro anefa fa mila resena ary mila mihoatra izany sedra izany isika
fantaro fa raha mino an'Andriamanitra ianao
dia omeny hery n'inona n'inona sakana eo @ fiainanao
zavatra iray no hanampy anao dia ny fanampahakevitrao
mila sahy ianao mandray ny fanapahakevitrao
na ianao handroso na ianao hijanona @ io misy anao io
mitadiava hevitra tsara mba handroso, aza miandry hoe efa
misy sedra mihatra vao hanapak'evitra,
araraoty ny fotoana sy ny andronao mba
hanatraranao ny tanjonao
ny olona matetika dia tsy mandray fanampahak'evitra
raha tsy tena efa sarotra ny mahazo
izao ary ny fanontaniana apetrako aminao hoe:
EFA LATSAKA ANY ANATY LAVAKA VE VAO HIHETSIKA
io no olana foana mantsy , efa tara foana
vao tapaka ny hevitra
andrasana efa tara foana ve vao izao na izao eh !
matoa aho miresaka aminao izany dia mahita fa
misy ireo olona izay maty toa mahatsiaro hoe mijaly izy
,tsy mba nisy izany fifaliana, tsy mba nahavita ny iraka
izay mba tian-Andriamanitra nataony, tsy mba nahavita izay nofinofiny eh
izaho aloha tsy te hihaona @ Andriamanitra ka hilaza amiko Izy hoe :
Efa nomeko anao ny talenta rehetra fa nataonao aiza ? ( nalevinao ve ilay talenta? )
Efa nosokafako taminao ny varavarana rehetra mba
hanatanterahanao ny nofinao fa ianao tsy mahita afatsy
varavarana mihidy , Efa nomeko anao ireo olona
afaka hanampy anao
kanefa tsy hitanao izany fa nolavinao
noho izany aza miandry fotoana fa tanteraho hatra@ farany
izay fikasanao ; aza mety kivy izany fa mitrakaha foana
mijoroa , mirosoa
indraindray ianao mihevitra fa tena ratsy vintana fa
mafy ny fitsapana ?
izao no ataovy an-tsaina fa raha tsy mandresy
dia resy ianao
ny fitsapana @ fiananao io no hitondra anao @ dingana
hafa @ fiainanao ; @ dingana ambony