14/09/2021
‼PARADISA ARTIFISIALY‼
Rehefa ilay tsy mahita lalan-kombana iny intsony isika, rehefa ilay tsy manana tombambidy salama iny intsony, rehefa ilay tsy hitantsika intsony izay dikan'ny fiainana, tsy tsapatsika intsony ny tsirony sy maminy, dia lasa mitady fomba isika mba hahatsapana indray hoe misy, mba hahatsapana indray hoe miaina, mba hahatsapana indray hoe milay ny fiainana.
Normaly tsara izany satria , ara-boajanahary, dia olon'ny faniriana (désir) mihitsy ny olombelona kaaaa, ary ny anton'ny zavatra ataotsika rehetra eto ambonin'ny tany dia roa ihany: na isika atosiky ny fanirina mivaivay hikatsaka fahasambarana ,na isika atosiky ny tahotra fangirifiriana, toa mitovy ihany hoy ianao e? Ireo ankizin'ny Sambatrattitude mianatra psychologie manodidina ny comportement sy mianatra psychanalyse mahazo azy tsara...pub kely iny 😂😂😂
Fa iverenako, vokatr'io fikatsahana fahasambarana na fandosirana tahotra io dia matetika isika lasa mamorona "fierena" kely mba ialokalofana, hitadiavana fitoniana, toy ny toaka, sigara, rongony, "ma********on", téléphone, hira, p***o, sns.....
Ny olona efa miankin-doha dia mahatsapa ho toy ny tsy miaina raha toa ka tsy eo ireo, toy ny hoe miaina anaty "afobe" e! (TS raisina an-tendrony)....
Fitsoahana olana anefa ny famoronana "paradisa artifisialy" rehefa avy eo ange miverina ihany ilay olana e!...
Ka inona ary ny atao hoy ianao?
▶ atreho ilay olana ka, ekeo ilay zava-misy aloha, ajanony amin'izay ilay fitadiavana olona anilihina andraikitra.
▶ ny tena olana ange dia ianao e! Ireo karazana fahavalo ao anatinao toy ny: nenina, tahotra, tebiteby, sns, ireo no mila resenao kaaa, moa tsy ireo vé ilay feokely manenjika anao ao anaty. Ilay vonoina sy andosirana @ rongony sy ny toaka sns...ireo ilay feo kely ,mahatonga anao tsy matoky tena...inona no azo atao:
Efa filazako eto ny hoe: mihavana amin'ny tenanao, ekeo ianao, tiavo ianao, mihavana @ lasanao, izay vita dia vita e! Fanarina ny ampitso, ataovy milay ny androany, fa aiza ary no misy olombelona tsy diso izany.
▶ ny fahasambarana dia "etat d'être" toe-tsaina ny fahasambarana , raha hainao ny mijery ny lafitsaran-javatra anaty olana dia mora aminao ny miaina.
▶mila fitoniana anaty ianao, manaova méditation kely 10min isan'andro, na vavaka fankasitrahana (gratitude) fanaoko izao ny misaotra ilay mpahary sy ny ratsambatako rehetra sy izay ahatsapako hoe misy aho.
▶farany, vereno faritana mazava ny fitodiky ny fiainana, farito mazava ilay fiainana tinao iainana dia zay e!