13/11/2022
TOE-TSAINA TENA MENDRIKA
Mpihazakazaka keniana iray, Abel Mutai, teo amin'ny metatra vitsy monja tsy ho tonga eo amin'ny tsipika fahatongavana dia nijanona satria nafangarony ireo «panneau» famantarana, nihevitra izy fa efa vita ilay hazakazaka. Ilay mpihazakazaka Espaniola, Ivan Fernandez izay teo aoriany rehefa nahita ny zava-nitranga, dia nanomboka nikiakiaka tamin'ilay Keniana mba hanohy hihazakazaka hatrany. Tsy nahay teny espaniola nefa i Mutai ka tsy azony izay notenenin’ilay espanola.
Nahatsapa ny zava-nitranga i Fernandez, ka nanosika an'i Mutai handingana ilay tsipika fandresena.
Nanontany an’i Ivan ny mpanao gazety iray hoe: “Nahoana ianao no nanao an’iny fihetsika iny?
" Namaly i Ivan hoe: "Ny nofiko dia ny hoe: indray andro any dia afaka hanana karazana fiainam-piarahamonina isika izay manosika ny tenantsika ary manosika ny hafa handresy ihany koa. ''
Nanizingizina ilay mpanao gazety hoe: “Fa nahoana no navelanao handresy ilay Keniana?”
Namaly i Ivan hoe: “Tsy hoe izaho no namela azy handresy, fa izy mihitsy no handresy, izay iny hazakazaka iny.
Nanizingizina ilay mpanao gazety ary nanontany indray hoe: “Nefa ianao afaka nandresy mihitsy!” Nijery azy i Ivan sady namaly hoe: “Fa inona moa no ho tombony amin’ny fandreseko? Inona no ho voninahitr’io medaly io? Ahoana no mba fiheveran’ny reniko ahy raha izany?
Ampitaina amin'ny taranaka mifandimby ny soatoavina. Inona no soatoavina ampianarintsika ny zanatsika ary ahoana no hanentanantsika ny hafa mba ho mpandresy?
Ny ankamaroantsika dia manararaotra ny fahalemen'ny olona fa tsy manampy azy ireo hatanjaka kokoa