Syndicat Professionnel du Tourisme à Madagascar

Syndicat Professionnel du Tourisme à Madagascar Natsangana ny syndicat mba hiarovana ny zon'ny mpisehatra sy hikatsahana ny tombontsoan'ny mpikambana

08/05/2024

Le manque d’appareils pour les vols internes risque de ternir l’image du tourisme. Rien que le week-end dernier, quatre destinations tourist...

Manaitra ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga mba hijery akaiky sy faran'izay haingana ny vahaolana mikasika ireto man...
01/05/2024

Manaitra ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga mba hijery akaiky sy faran'izay haingana ny vahaolana mikasika ireto manaraka ireto:
👉 Sidina anatiny annulé matetika
👉 Ny faharatsian'ny lalana manerana ny Nosy
👉 Fahalafosan'ny vidin'ny tapakila
👉 Ny hanokafana na/sy hampiasaina ireo seranampiaramanidina any amin'ny faritra ho iraisampirenena fa tsy avangongo amin'ny faritra iray
Mankasitraka indrindra tompoko!

Tontosa soamantsara ny AG izay natao androany teto AntananarivoIsaorana sy ankasitrahana ireo tonga nanoina ny antso.Isa...
24/02/2024

Tontosa soamantsara ny AG izay natao androany teto Antananarivo
Isaorana sy ankasitrahana ireo tonga nanoina ny antso.
Isaorana ihany koa ireo mpikambana vaovao tonga hanatevindaharana ny Syndicat. (Iangaviana ianareo mba handefa demande d'ajout na message mba hampidirana anareo ao anaty groupe de discussions)
Miroso hatrany ny Syndicat Professionnel du Tourisme à Madagascar satria "TSY NY ORANA LASA NO ANJAIRANA SAROTRO FA NY ORANA HO AVY"

Miarahaba ny Mpitaridia rehetra tsy ankanavaka manerana ny Nosy noho izao andro iraisampirenena ho an'ny Mpitaridia izao...
21/02/2024

Miarahaba ny Mpitaridia rehetra tsy ankanavaka manerana ny Nosy noho izao andro iraisampirenena ho an'ny Mpitaridia izao!

Ilazana isika mpikambana sy izay hirotsaka ho mpikambana fa ny AG dia hatao ny 24 Février izao Hisy ny fiarahamiala heta...
16/02/2024

Ilazana isika mpikambana sy izay hirotsaka ho mpikambana fa ny AG dia hatao ny 24 Février izao
Hisy ny fiarahamiala hetaheta sy fizarana mofomamy.
Hisy vaovao tsara ho ampitaina!
"Tsy ny orana lasa no anjairana sarotro fa ny orana ho avy"

12/01/2024

𝗣𝗼𝘂𝗿 𝗹'𝗮𝗻𝗻𝗲́𝗲 𝟮𝟬𝟮𝟰, 𝗹𝗲𝘀 𝗳𝗿𝗮𝗶𝘀 𝗱𝗲 𝘃𝗶𝘀𝗮 𝗽𝗼𝘂𝗿 𝗹𝗲𝘀 𝘀𝗲́𝗷𝗼𝘂𝗿𝘀 𝗮̀ 𝗠𝗮𝗱𝗮𝗴𝗮𝘀𝗰𝗮𝗿 𝗱𝗲𝗺𝗲𝘂𝗿𝗲𝗻𝘁 𝗶𝗻𝗰𝗵𝗮𝗻𝗴𝗲́𝘀. Pour les voyages de 15 jours ou moins, seuls les frais de formalités de contrôle aux frontières, d'un montant de 10€ ou 10$, sont requis.

Facilitez votre demande de visa en utilisant le site officiel 👉🏼👉🏼 https://evisamada-mg.com
Les touristes ont également la possibilité d'obtenir leur visa à l'arrivée à l'aéroport.

Mitaraina ireo mpiambina ny faritra arovana Nosy ve fa efa ho 7 volana zao tsy nandray karama izy ireo raha ny fanambara...
26/11/2023

Mitaraina ireo mpiambina ny faritra arovana Nosy ve fa efa ho 7 volana zao tsy nandray karama izy ireo raha ny fanambaran'i Bisy iray amin'ireo enindahy mpiambina!
Manaitra ny tompon'andraikitra izy ireo noho izany fa tena sahirana tokoa.

Ho ela velona anie ny Fizahantany sy ny mpisehatra!Hitondra fiovana tsara ho antsika anie ity taona 2023 ity. 👊
27/09/2023

Ho ela velona anie ny Fizahantany sy ny mpisehatra!
Hitondra fiovana tsara ho antsika anie ity taona 2023 ity. 👊

Raha tiana ny ahatratra ilay 300 000 touristes dia mila jerena ireto zavatra manaraka ireto:👉 Ny vidin'ny tapakila (bill...
20/09/2023

Raha tiana ny ahatratra ilay 300 000 touristes dia mila jerena ireto zavatra manaraka ireto:
👉 Ny vidin'ny tapakila (billets d'avions) atao mirary, ary avela halalaka ny fifaninana ho an'ny kaompania rehetra.
👉 Fehezina ny tsy fandriampahalemana manerana ny Nosy
👉 Amboarina ny lalana ratsy rehetra
👉 Ahena ny hetra alaina amin'ny kojakoja ilain'ny fiara
👉 Ezahana hizotra tsara ny sidina anatiny
👉 Jerena akaiky ireo mpisehatra tsirairay, tsy ampiandrasina ela ny famoahana ireo antontan-taratasy ilain'izy ireo rehefa hita fa afaka manao ny asa izy ireo.

18/09/2023

Entanina isika mpisehatra amin'ny Fizahantany mba hiditra amin'ny aradalàna amin'ny lafiny rehetra!
Misaotra tompoko.

Efa ela no nitenenana sy nidradradraina ny resaka tsy fandriampahalemana teto fa henoy zany ry bois de mon dos!Mbola var...
17/09/2023

Efa ela no nitenenana sy nidradradraina ny resaka tsy fandriampahalemana teto fa henoy zany ry bois de mon dos!
Mbola varina amin'ny zavatra hafa ny sasany.
Andrasana hisy vahiny ho voakitika ve sanatria vao mody hikorapaka?
Tsy izao mihitsy no hampiroborobo ny Fizahantany re tompoko oh!

26/08/2023

Rehefa tena ao anaty Valanjavaboahary zany ny afo vao lazaina fa marimpototra ny vaovao?

Nomena ny anarana ho Aéroport International ny seranampiaramanidina ao Toliary. (Tsy misy maharatsy azy)Saingy ny sidina...
25/08/2023

Nomena ny anarana ho Aéroport International ny seranampiaramanidina ao Toliary. (Tsy misy maharatsy azy)
Saingy ny sidina Tsaradia kosa nefa dia mikorontana be, mihemotra na annulé mihitsy aza.
Misy fiantraikany amin'ny sidina hodian'ireo vahiny izany. Maro izy ireo no nimenomenona satria tsy maintsy mandoa vola be indray mba hanovana ny andro hodiana.
Isika nefa dia te hampiroborobo ny Fizahantany.
Mampiroborobo ve zany?
Ny tsy fandriampahalemana sy ny haratsian'ny lalana mo manginy fotsiny.

Mbola tsy misy mijery sy nieritreritra ny hanamboatra mihitsy anie ny lalana fitondrana vahiny mivezivezy e!Misy tompon'...
16/08/2023

Mbola tsy misy mijery sy nieritreritra ny hanamboatra mihitsy anie ny lalana fitondrana vahiny mivezivezy e!
Misy tompon'andraikitra ve?

26/06/2023

Arahabaina isika mpisehatra rehetra amin'ny Fizahantany nahatratra izao 26 Jona izao!
Tsarovy anefa fa "Tsy ny orana lasa no anjairana sarotro fa ny orana ho avy"
Mirary ny soa sy ny tsara ary fahombiazana hatrany.

Mitaraina ary malahelo ireo mpisehatra amin'ny fizahantany nanana vahiny  tokony handray fiaramanidina teo Ivato ho any ...
20/04/2023

Mitaraina ary malahelo ireo mpisehatra amin'ny fizahantany nanana vahiny tokony handray fiaramanidina teo Ivato ho any Antsiranana ny Alarobia 19 Avril.
Nahazo hafatra izy ireo ny Talata 18 Avril fa hisy fahatarana ny fahatongavan'ny fiaramanidina satria mbola hitondra ny Filoha any Sambava.
Akory nefa ny hagagan'izy ireo rehefa tonga hitsena ny hariva fa tsy tafiditra tao ireo vahiny tokony ho avy.
Niezaka niantso ny agence teto Tana izy ireo ka ny valiny azo dia hoe tsy nisy toerana antonona azy ireo intsony ny fiaramanidina ka nijanona izy ireo.
Niandry indray anio Alakamisy saingy tsy priorité hono ireo saika handeha omaly ireo raha ny filazan'ny kaompania fa ireo efa namandrika ho an'ny anio ihany no priorité!
(Malahelo izy ireo satria ny fotoana lany ny karama kely nantenaina tsy misy indray). Efa tamin'ny fotoanan'ny covid izahay no tsy noraharahina dia mbola izao ihany koa no mahazo!
Maneho ny fanahiana izahay satria raha izao dia tsy ho tratra mihitsy ny hampiditra 300 000 touristes eto Madagasikara fa na ny antsasany aza mety hanahirana.
Mitaraina ihany koa ireo mpisehatra any amin'ny faritra antsinanan'i Madagasikara ny mba hamerenana ny zotra Tamatave - Maroantsetra sy Tamatave - Sainte Marie, satria amin'izao dia voatery mandalo Tana avokoa ka sady lany fotoana no mitombo ny vola lany.
Eto ampamaranana dia enterinay ny tokony handraisan'ny fanjakana antanana ny fanamboarana maika ny lalana ivezivezen'ny vahiny fa tsy hiantehatra amin'ny fandoavana tsipaipaika izahay dia mandoa hetra aradalàna!

02/04/2023

Mirary Alahady mahafinaritra ho antsika mpisehatra rehetra amin'ny Fizahantany!

08/03/2023

Miarahaba manokana ireo Vehivavy Mpisehatra rehetra amin'ny Fizahantany tsy ankanavaka amin'izao andronareo izao!
Midera anareo ihany koa noho ny fahasahiana sy fahavononana anananareo.
Mankahery anareo satria tsy mora ny miasa sy mamelona ny ankohonana.
Homen'i Zanahary fahasalama sy tanjaka hatrany anie ianareo mba ahafanareo manantotosa ny adidy!
Mirary ny soa sy ny tsara!

06/03/2023

Mankahery ireo mpisehatra any amin'ny faritra antsimo izay andalovan'ny rivodoza amin'izao fotoana izao!

Address

Antsirabe
110

Telephone

+261340591354

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Syndicat Professionnel du Tourisme à Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Syndicat Professionnel du Tourisme à Madagascar:

Videos

Share


Other Antsirabe travel agencies

Show All