02/05/2022
NY FARIHIN'I TRITRIVA SY NY ZAVA-MIAFINY 😱👽
Maro isika eto madagasikara no naheno sy efa nahalala ny farihin'i Tritriva amin'iny faritr'i Betafo Antsirabe iny izay miala tokony ho 15 kilometatra eo. Tsy afa-miala aminy koa i Anjanampara izay tsy lavitra eo akory, toerana azo atao hoe malaza ihany koa ireo satria tao no anisan’ny nipoiran’ireo mana-talenta teto amin'ny firenena, na ara-kanto na ara-tsaina sy ny namany hafa koa, raha momba ny farihin'i Tritriva dia eo akaikin’ny commune Belazao no misy azy. Araka ny lovantsofina dia sahan’omby ny mpanjaka no teo tamin'ny taon-jato fahagola be tany ary ambiny volkano ka nipoaka tampoka dia namela lavaka mangitsokitsoka, nandeha ny fotoana dia dibo-dranon'orana ilay lavaka ka lasa farihy. Tena mangatsiaka be io rano io ka na biby any anaty rano aza tsy mahazaka firy ao toy ny trondro sy ny namany. Maka endrika ny saritanin’i Madagasikara i Tritriva raha tazanina, heverina ho akaiky kosa raha avy eny an-tampony ianao no mijery kanefa raha mitoraka avy eny ianao dia tsy ho tody eny amin'ny rano mihitsy, izany hoe mamita-maso.
Ny nampalaza an’i Tritriva dia tao no namono tena i Rabeniomby sy Ravolahanta izay tantara malagasy tena nalaza tokoa. Voararà n'ny ray aman-drenin'ny ankilany ny fiarahan'izy noho ny saranga tsy mitovy, iray zanaka mahantra ary ny iray zanaka mpanakarena sy ambony firazanana, antony namonoan'izy roa tena ka nifamatotra tamin'ny tady sy tsihy ka nilatsaka tao. Nivadika ny taona dia nisy hazo roa nitsiry sy nifamatotra teo amin'ilay nilatsahany ary naniry niakatra ilay hazo, avy ery atsimo andrefana ery no maniry io hazo io ary raha tsongoina dia mety maratra sy misy rà . Marihina fa efa nisy ireny botaniste vahiny ireny liana tamin'io hazo tamin'izany fotoana ary naha sahy nilaza fa 《tsy mbola nisy hazo tahak'ity hatrizay naha botaniste anay.》maro ny manam-pahaizana no milaza fa fanafody fanefitra aretina maro be io hazo io, misy milaza fa fanafody fanefitry ny homamiadana,sy ireny aretina saro-sitranina ireny moa izy ary betsaka ireo vahiny niezaka naka io hazo io fa niala maina ary nisy mihitsy aza maty tao! Taty aoriana nianjera io hazo vokatry ny rivodoza nandalo tamin'iny faritra iny.
Nisy sinoa sy vazaha eropeana izay niezaka ny haka anio hazo io ary efa norarana sy be loha ka mievitra ny tenany ho mahay milomano sy ny namany. Ny nahagaga anefa fa iny ry zareo nilomano ka efa tonga teo akaiky teo vao nangotraka be ny rano manodidina ilay hazo, niboiboika! Nandramana indray ny nidina tamin'ny tady avy eny ambony ka tapaka indray ity farany, torana tery ambany noho izany ilay vahiny iray satria notatazan’ny vato ny lohany. Toy ny rano sasay manana ny zava-miafiny eto Madagasikara dia milaza fambara koa io rano io, rehefa hisy zava-mitranga na voina ahazo ny firenena dia miova loko io rano io, lasa miova toy ireny taim-boraka ireny, tamin'ny fotoana naha may an’i Rovan'i Manjakamiadana ireny izao dia tena niova loko tokoa izy. Araka ny lovan-tsofina izay tsy fantatra tsara ny fahamarinany dia toa mifampitohy hono io rano io sy ny rano eo Andraikiba izay somary ambany altitude noho izy, ary tamin'izany ary hono efa nisy lakana nilentika teo Andraikiba ary nipoitra teo Tritriva. Taorian'i commandant Cousteau, izany hoe efa taty aorina, dia nisy manampahaizana Soisa roalahy nandefa sonde tao amin'io farihy io. Nalatsaka ireo fitaovana fanametarana ny halaliny fa indrisy, nilentika ary tsy nipoitra intsony. Roa na telo taona taty aoriana dia naharay signaux avy tamin'ny zanabolana izy roalahy izay tsy teto madagasikara intsony fa tany Genève tany. Nojerena ary ny fihavian'ilay signial dia hatairana ny azy ireo satria tsy teto madagasikara no nipoiran'ireo sonde kely nalatsaka tao Tritriva fa tatsy amin'ny farihin'i Tanganyika atsy afrika! Izany hoe ve misy fantsona izany any ambanin'ny tany any mizarazara ka mifampitohitohy raha ara-tsiansa no hitodihana? Tsy fantatra mazava.
Tantara iray hafa koa: nisy tanora maromaro teo an-tanà na tsy lavitra ary tena tia milomano eo foana. Mahoraka amin'ity farihy ity ny fisain-javatra misintona tongotr'olona ao anaty rano ao rehefa haka izay izy, tsy hay intsony na ilay lavaka be any ambany rano any izany, satria indraindray toa misy ranomody miforona tampoka ka mora misinton'olona. Mangatsiaka be io rano ka mety ianao milomano iny dia no ho tratrin'ny crampe tampoka eny ka tsy afa-mietsika dia hilentika hoazy, vinavina daholo izany fa ny voaporofo sy natrehin'ny mason'ireo dia nisy tovolahy niara-nilomano tao nilentika,tsy hay hoe inona no nanjo azy fa iny izy mihorakoraka be hoe:
《Vonjeo fa misy misintona aho》
ireto namany moa tsy taitra fa zatra hoe nihanihany indray ranamana. Iny izy tsy hita intsony iny vao raiki-tahotra daholo ka na akanjo aza tsy tafiditra fa rifatra nitsoaka niazakazaka nidina iny tendrombohitra iny. Tamin'izay no niantsoana ilay ramatoa mpahay rano fohy kely izay monina ao Betafo mpahay ny zava-miafin'ity rano ity satria dia nilentika tsy hita mihitsy ilay tovolahy. Telo andro taty aoriana izy vao tonga ary nojereny tao anaty rano tao dia nolazainy fa hoe:
《misy tanà na ao anaty rano ao, ary misy sà tô be ao! Fa tsy ho hitanareo mihitsy ary tsy hino ahy ianareo!》 (Chateau)
hoy izy ary nolazainy daholo ireo olona maty hatramin'ny vazaha sy sinoa tao; ny paozipaoziny, ny bikany, ny halavany, ny fihodirany sy ny sisa izay tsy misy afa-tsy zanatany ihany no mahalala ny ankabezan’ireo olona maty tao ireo. Ohatra hoe nisy fianakaviana nanana maty tao dia nanontaniana hoe ao ve i ranona dia valiany tsotra hoe 《eny io izy io》 ary lazalazainy eo ny paozipaoziny endriny sy ny momba azy dia mitovy tanteraka ihany koa! Ny momba ilay tovolahy maty vao telo andro tao kosa dia nolazainy hoe:
《io mbola velona tsara ao io izy》
ary nomeny safidy ny Ray aman-dreniny hoe 《inona ny tianareo, avelan-tsika ao ve izy ary tsy ho faty fa ho velona miaraka amin'ireo mponina ao ireo sa ho alain-tsika fa raha tonga aty izy dia ho faty vao tafiakatra an-tanety satria tsy mety aminy intsony ny miaina ety!》, ny fianakaviana moa dia nisafidy ny hampakatra azy tao dia natao ny fombafomba fakana azy amin'ny fampiasana ny vatan’akondro sy ny sisa. Inona tokoa fa nipoitra teo ny vatan’ilay tovolahy, ary ny nahagaga dia raha ny tokony ho izy ny olona maty an-drano hateloana izany tokony efa simba sy mibontsina nefa ity tovolahy tahak'ireny razana vao maty vao eo ireny! Misy sivilizasiona mivelona ve izany ao amban'ity farihy ity ary mirakotra fitaratra dôme be ka tia "miantso" namana mba hameno isa azy ireo? Sa kosa mbola varavarana ihany koa na "porte dimensionelle" miampita amin'ny drafitra avo hovitra (éthérique)? Tsy fantatra!
Tahaka ireo toerana rehetra misy fadiny dia tsy azo hitondrana tongolo sy kisoa ao. Ireo zanatany avy mihinana kisoa avy aty ambany aty dia mila manasa-tanana alohan’ny hiditra any. Indray andro izay anefa nisy teratany vahiny tia tsapatsapa ka tsy nanaraka fomba na dia efa noraran’ny zanatany aza dia mbola nanimpy jambon tao ihany. Alohan’ny nanipazany ilay jambon tao dia nilaza ny zanatany fa hiala eo ary hiakatra eny ambony, raha vao nanipy anefa izy dia inona tokoa no nitranga fa dia oram-baratra sy avandra be no nilatsaka ary ny nahagaga fa taty ivelany maina be fa tao amin'ilay toerana ihany no avy be ny orana. Saika maty moa itsy farany ary raha tsy nampiantranon'olona ka nitsabo azy. Mety ho fifandrifian-javavatra ve no nampilatsaka tampoka ny orana narahina avandra tamin'ilay jambon? Sa tangoron-drahona efa navesatra no nitatao an'i Tritriva tamin'io fotoana io ka nifanandrify ny fotoana nanipazany ny henan-kisoa sy ny filatsahan'ny orana? Mbola misitery koa ny hoe teo amin'io faritra io ihany no nanavandra. Kisendrasendra ve no nahatonga ity farihy ity nitovy kely fotsiny amin'ny saritan'i Madagasikara raha tazanina amin'ny zanabolana?